You are here: home > Vetso

TIAKO LOATRA - KIRIAH

Azo vakiana?

Tiako loatra raha mba ho ahy
ireny soratsoratrao
   mitanisa fitiavana
   milomano fahasambarana
   miaina anaty fahafahana.

Tiako koa raha mba izaho
no hitondra ainga ho anao
   ka ny vetsonao hirongatra
   ireo tananao hanoratra
   ny fanahinao amboraka.

Tiako loatra raha ny anarako
no hisalo-boninahitra
    any anaty kantonao
    fa tsy ho IZY  lav ' izao
    IZY foana fa tsy IZAHO.

Hono hoy aho,,,, IANAO ve no tiako sa ny ASA SORATRAO ?
Asa...! , asa fa hatramin ' iny toa lasanao daholo na ny fo na ny fanahiko

KIRIAH

Hevitra mandeha

Soarilala (30/08/2012 22:18:27)

Hono ho'aho! ianao ve no tiako sa ny asa soratrao?
Toa tsy haiko intsony mantsy ny manavaka azy izao....

kiriah (04/09/2012 12:59:21)

enga anie kosa mba ho zahay roa e , zaho de ny asa soratro , hihih!

Soarilala (13/09/2012 11:25:41)

Asa angaha fa mety ho marina ihany koa izany an!

Tsiroa (21/09/2012 09:09:56)

Marina fa hafa mihintsy le haingam-panahinao, tena lalina sady mahafinaritra. Ianao dia anisan'ny ankafiziko eto @ serasera

kiriah (23/09/2012 14:11:25)

Misaotra ry se a!

Mitantsotia (31/03/2013 14:54:24)

Mahay ianao kah!

Soarilala (22/05/2013 15:20:30)

Tena tiako raha mba ho ahy
Ireto aingam-panahy
Tiako koa raha mba izaho
No iantefan'ny soratrao