You are here: home > Vetso

TIAKO ANGAMBA IANAO - KIRIAH

Azo vakiana?

Ataoko ahoana angaha ny fomba itantaràko
ilay FITIA kely , nitsiry tatoato
fa manaraby ny heriko, misangy koa ny foko
nanova ny fijeriko sy toa mijokojoko

Mitady hidongy toerana , haka an-keriny tokoa
hanao bodin-gerona ,hitrebona sy hamoa
FITIA tsy nasaina , manao loham-boto
tsy haiko hazavaina fa misafotofoto

Ianao lay tsy fantatro ,tandidona nivela
nandrombaka ny foko , dia naka tsy niera
raha toa ka azo atao , miesora sy mialà
TIKO ANGAMBA IANAO , kanefa tsy ho ahy.


KIRIAH

Hevitra mandeha

Mitantsotia (31/03/2013 15:01:34)

Henjana é, mankasitraka