TSIKY KELY DIA AMPY - KIRIAH
Azo vakiana?
Tsy ahoako na tsy hoahy,tsy ahoako na tsy ho anjara,
tsy asiako ahiahy na tsy ho lasan-ko tantara,
avelao aho mba ho namany ary koa hiantsampitsampy,
tsy ahoako zay tantarany,TSIKY KELY D' EFA AMPY.
Tampoka sy sendrasendra,tafaresaka izahay,
tato anaty SERASERA, indray harivariva izay,
dia nitohy antaro-by zany vetso ny alin' iny,
fa izaho toa naka-fy, lay tafanay tsy nisy tsiny.
Dia tonga namako tokoa, lay tsy fantatro akory,
ka ny alina aza moa ,toa tsy ahitàko tory,
avelao aho mba ho namany ary koa hiatsampitsampy,
tsy ahoako zay ho farany, TSIKY KELY D' EFA AMPY.
Maika ery aho ny avy niasa , hijery ny hafatra voaray,
maika koa ny hitafatafa, hiresaka aminy indray,
kanjo loza no nafitsony, mafy loatra sy tsy tanty,
tsy maninona ry tiko ,TSIKY KELY D' EFA AMPY.
KIRIAH
Atolotra ho an izay namako any ho any izay.hitanao zany fa nataoko tononkalo, ataovitaovy ihany, lol!
Hevitra mandeha
hery (11/10/2010 13:26:44)
Kay le lolll
Inona ilay "loza nafitsony" ry Kiriah?
Mahaliana
kiriah (11/10/2010 13:31:06)
za nampiesoniny hery a!, nefa za otran 'ny tena mitady ho tia be sahady lol!!
pisokelinah (11/10/2010 13:49:21)
kay!!!!tena mlay be ito zany a!!!tsiky dia ampy e!karaha za zany no resahinao ato ry kiriah!!!lol
kiriah (17/07/2011 20:50:27)
raozigasy (21/07/2011 18:41:16)
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 08/10/2010
Mpamangy : 1605
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA