You are here: home > Vetso

Tsy maintsy ho hadinoiko - KIRIAH

Azo vakiana?

Main-dravina maraina
vao nitsimoka dia maty
niamboho , nanary aina
ka lay tsara tonga ratsy .

Tany anaty eritreritro , tany ianao no tonga lafatra
fony ianao mbola NOFY , tany ianao no nahafinaritra
fa nony injay nitafy NOFO , dia nitafy koa kilema
tsy fanaperana intsony , lasa zava-maha sorena.

Fony ianao mbola tsy ahy
fony ianao nataoko sampy
dia nameno ny fanahy
ny tsy hahita anao tsy tanty.

Diso ve ny fanombanako ? , diso sata ianao ry foko
ilay noheverinao ho KANTO , hay ANKOSO niova loko
tsy io lay notadiavinao , lay nokarohina hatrizay
ka hadinoy dieny zao , raha ROA ho ratsy aleo IRAY.

Sokajy : Fitiavana