You are here: home > Vetso

VOASEDRA - KIRIAH

Azo vakiana?

Ny hoditrao ve no mangidy
Ratsy tsiro noho ny hafa Ka tsy telin'ny vavoniny?
Sa ...!
Ny siran-kerim-po Nanasinana anao
No mihoatra ny antonony?

Nanendreny fotsiny ihany
Notsakoiny an'ilam-bazana
Noheveriny ho mamy
Tiany abosika sy fiazana
Toy ny hanina rehetra
Toy ny tsiro, etsetra etsetra
Saingy ...
Ianao tsy eran'ny hanoanany
Ka naloany teny an-tanany
Nisy tsirona arafesina
Niaro fofona mandrainkona
Nisisika Nanelingielina
Maka tenda raha atelina.

Moa ny nofotrao no mafy?
Ampy fanazaran-tena teny an'orana mifafy?
Taona marom-pahoriana, ady mafy tsy fisiana ...

Ianao tsy taniky ny afony
Nandramany ihany nolelafiny
Dia naveriny am-bilany
Nantenainy ianao halemy
Nantenainy ianao ho masaka
Nisorohany afo impiry
Saingy ...
Io ianao miziriziry
Ka ny masony no Bongo levon-tsetroka tam-patany
Leo ny donginao ny satany.

Ôhhhh! Mandehana ry voasedra
Fa tsy tia anao ny fasana !

KIRIAH
12/08/13

Hevitra mandeha

Mirasoua (21/07/2014 16:09:51)

Kiriah, Gravy enao e!!

kiriah (17/06/2015 20:36:19)

Zany ve é!? , Misaotra é!

Hametraka hevitra

Midira aloha