NY LAKA - KELIKO - 'Lay fo hafa kely
Azo vakiana?
Tompo o ! hitety onja indray ity lakan-keliko
hisedra rivotra...tafiotra
ny fanahiako tsy miafina no tsy afeniko
fa ho tafita ve tsy ho lany ritra ?
Handao ny seranana... ny lasako omaly
izato lakam-piainako
tsy maintsy miainga mandao izay mba nahafaly
hisedra ny tsy fantatra, ranomasin’ny fiainako
Hiroso aho ka hitety izato alon-drano
ho atopatopan'ny onjan’ny fiainana
midadasika eny mantsy tsy tratran’ìto maso
ny lalan-kodiavina...tsy takatry ny fisainana
Tsy miafina aminao ny vatsy am-pelatanana
f’ireo sisa tavela...ambin’ny omaly
izato diako anefa, miroso tsy azo tanana
ny ampitso tsy mba fantatro...hiadana sa hijaly ?
Na izany aza anefa, Tompo o ! hisaorako izao
ny omaly sy ny anio tombony ho ahy
nahafahako nidera ary mbola hankalazako Anao
niaro ito lakako fa nampahery ny fanahy.
Ka raha hitety indray, izato ranomasi - midadasika
ito lakan-kelin’ny fiainako,
matoky aho fa ny Fanahinao hirotsaka hikasika
hitsilo lalandava sy ho fanilon’ny fisainako
Mombamomba
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely

Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013
Mpamangy : 772
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TIAKO IANAOtrondro
EMBONA 2
‘LAY HAZO
FA TIAKO LOATRA IANAO
KANEFA E !
EMBONA
TSY HO RESY
‘LAY MALALAKO
TSIAHY