Efa hafa indray (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa hafa indray....


Embona azy tsy hay afenina
Tomany ianao rehefa ariva
Manantena azy mbola hanenina
Raha sendra loharano madiva..

Ireo kintana sy volana maro
Mindry fitia kanefa indrisy...
Tsy irery hono ianao fa nafangaro
Ka tsy rè fitsiky intsony ny lisy..

Diamondra niezaka ho tokam-po
Kanefa noratrain'ilay mba nantenaina
Ka fitia noraketina indray no lo
Nafenina am-po tsy hay tantaraina

Ireo lokaloka nataony teo imasonao
Fa hay fitaka ny ambadik'ireny
Efa olon-kafa no nisolo toeranao
Nangina ianao tsy sahy niteny

Dia ilay hoe tiako ianao....
Efa sofina hafa izao mihaino azy
Adinony angamba ireo voady natao
Eny e, angamba izy reny zary vazivazy

Ireo senton'ny fonao andro sy alina
Niafy fampijaliana satria tena tia
Nihevitra ianao fa hiroso amin'ny lalina
Indrisy, efa hafa indray...nanohy ny dia...


Efa hafa indray no mandre ireo voady...
Izay nataony fahiny averiny matetika
Noraisinao hasambarana ireo adiady...
Efa any ankafa indray izy no nilentika....


Lee Andrianalaina
19 octobre 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
578 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 19/10/2021 14:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136