Ny teninao (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny teninao

Ilay teninao iny,toy ny lefona nitsatoka
nanindrona ny aty foko
Ilay teninao iny, toy ny afo nahamay
nandoro ny tão anatiko
Namela holatra mahery sarotra nositranina
Kanefa dia namela aho satria “ Tia”

Ilay teninao iny, toy ny vovom-bonikazo nafafy
tsy hainao nosamborina
Ilay teninao iny, toy ny ranobe mangeniheny
Tsy hainao notatazana
Namela fahatsiarovana mangidy sy ratra lalim-paka
Kanefa dia namela aho satria “ Tia”

Ilay lelanao namoak´ireo teny
Dia tsy mba navadibadikao akory
Avy hatrany dia namafifafy
Voam-bolana mafy mankadiry
Namela fery namirifiry.

Nandrianina Maevatiana ( Bresil 2010-01-24)
--------
Rohy:
1724 3
Mpakafy: kathia87 - logan89 - maeva74
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014