Ny zanako! (maeva74)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zanako !

Fony mbola kely indry ,
Tsy mbola nahay namindra akory,
Dia nandao andry i Neny,
Noho ity fiainana mampahory

Tsy nosainin- dry akory ny hoe:
"Izany nilaozana izany"
Nibitabitaka tokoa indry
Nefa i Neny kosa nitomany

Dia niantefa tany amin-dry,
Ny aliny iray manontolo,
Tsy nisy fotoana iray akory,
Nanadinoany ny hetraketraky ny tontolo;

Ankehitriny ! lehibe izao indry
Ka efa pelika sy miteniteny
Voa hanontanin’ indry daholo
Ny rehetra ombieny ombieny

Neny oh, Neny ! hoy indry
Raha vao miantso izy ireny
Toa ela be loatra 'ty
Fiverenanao ry Neny.

Dia nangotika ery ny fony,
Naheno andry mitaraina
Nefa hataony ahoana tokoa
Ny tsy alahelo anao sombinaina


Ny fitiavan' i Neny


Maeva74
07 2009
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - fiainana - Fitiavana
1859 4
Mpakafy: maeva74 - lilyrose - maryline - logan89
Hevitra mandeha
tsiambaratelo ( 02/07/2009 03:47)
Malahelo mafy anazy ngah njy?
endrika01 ( 02/07/2009 07:32)
Ny fitadiavana mahatonga fisarahana!
ANJARA7 ( 03/07/2009 13:21)
fa ny tokiko aminao na de lavitra aza ianao de ilay endrikao tsy afaka ao an tsaiko aho.
Aza malahelo fa na ho haigana na ho ela mbola hifankahita fon aky a!courage ndry
tsiambaratelo ( 05/07/2009 09:05)
Courage hoanareo reny rehetra!
zay lay fitadiavana!
ozizy Jerry M. (hira) fitadiavana.....,mandeha lavitra......
rhina ( 17/09/2009 06:41)
tena mafy ne reto zany oe tsy eo akaiky zany i Neny e!!!
satria tsy misy mahasolo azy na inona na inona
maeva74 ( 24/01/2010 21:45)
Misaotra anareo rehetra e!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015