HO AN'NY AMPITSO (MAHEFALISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jehovah-nay rehetra ô!
Anokafy lanitra baliaka 'reo zanakao 'zay mitoreo
sy manahy ny Ampitso tsy hiposaka eo aminy.
Sady ilay Ampitso ry Jehovah ô!
Toa toerana voatokana tsy omena azy ireo
ka sokafy re ny lanitra handritra ny tomaniny.

Ry Tomponay rehetra ô!
Anomany fo, mitempo fitiavana 'reto olo-mifandrafy
sy mifampiteny ratsy kanefa zanakao!
Eny Tompo ô!
Zanakao, kanefa tsy mba mifamonjy raha sendra ady mafy,
raha misy fahavoazana sy loza mitatao.

Zanaharinay rehetra ô!
Amafazo Ranonorana ny Tanindrazanay
fa main'ny hetaheta sy ziogam-panjanahana.
Sady Zanahary ô!
Takon'ila foana ny Masoandro anjaranay,
Vonoana feo hatrany 'lay “Hiram-pahafahana”.

Ry Andriamanitray rehetra ô!
Adabohy any izay hazo midoroboka tsy manome voa
fa na ny hialoka eo aza tsy hahatamàna intsony akory.
Ry Andriamanitra ô
Mijaly ny vahoaka nohon'ny kitoatoa
Torovana tanteraka fa tsy mitsaha-miari-tory.

Ry Rainay rehetra ô!
Avadiho indray ny pejy nohon'ny ditranay vahoaka.
Sitrano ny fonay sy ny hadalan‟ireo mpitondra.
Kanefa re ry Ray ô!
Farano ny Tantara raha mbola misy mandamoaka
ao ambadik‟ito “Misy”, eny na dia iray monja.

MAHEFALISON – Janoary 24, 2009
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Tanindrazana
1594 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : MAHEFALISON
Daty : 30/03/2010 08:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145