NANKAIZA IANAO? (MAHEFALISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ianao ry kolontsaiko
Fa toa ry “Vola mianakavy” ihany
no mitotorebika isan‟andro?
Sa lany? Lany ve ny Jiro nanazava anao
hatramin'izay ka hatramin‟izao?

Nankaiza ianao ry kolontsaiko
Fa toa jenjim-pitadiavana ity Tany misy anao?
Banjino dia jereo fa mihamaty ny “hiranao”,
Nataony aiza kay ny endrikao? Nosoloiny endrika hafa?
Fa any indray izao no revy, any indray izao no tafa.

Nankaiza ianao ry kolontsaiko?
Miafina aiza ange ianao? Sa sanatria
nanjavona aiza? Ary ve ho doria?
Ianao 'lay Tsianjery tsy niala tao am-bavany,
Ianao 'lay sarobidy zary lasa tonom-bavany.

Nankaiza ianao ilay nohirain‟ny razam-beny,
Ianao 'lay notrotroiny sy nataony tam-babeny?
Napetrany aiza 'ty ianao? Taiza no mba tiany?
Indrisy aza misahirana! Nataony erỳ am-paladiany.

Nankaiza ianao „lay reharehany fahiny?
Fa ny zava-padiny aza toa manjary kilalaony?
'reo fitafy kantony, efa lasa tsy fanaony?
Eny! tsy maninona fa izy rahateo efa vahiny.

Eny! Tsy ho resinao tokoa raha izay adim-piainana,
raha izay fitiavam-bola “mampitapy” ny fisainana.
Fa dia mahaiza tsara miafina ry hany kolontsaiko (sy anao)
Rehefa lasa adala ve ireo tsy hahatsiaro hitady anao?

MAHEFALISON in ''Ambadiky ny Misy'' – Janoary 16, 2008
--------
Rohy:
477 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : Mahefalison
Daty : 05/03/2020 07:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144