TIAKO - MAHEFALISON
Azo vakiana?
Taniko!
Mandra-pahaoviana no haharitra hirehitra,
ity Jiro mitsilopy anaty maizim-bolana?
Mandra-pahoviana no mbola hifanehatra
aminao, ireo Fahavalo maro, miteraka ny olana?
Fa tsy haiko, tsy tantiko!
Nefa tiako foana, Taniko, ho fiononanao marary,
sy ho ranom-panafody sotroinao isan’alina
‘zao famiratry ny kintana mampihira angelikary,
toa mivavaka ho anao, hahatonga anao tafarina.
Tiako foana koa, ny hitady hitalaho
Voninkazo ho anao amin’ito Alim-be.
Mialohan’ny maraina, tsy maintsy hahita aho
hatolotra ho anao, minoa ahy ise.
Taniko!
Marary avokoa mantsy izay tsinjoko aminao,
na teny, na fomba, indrindra moa fa saina.
Mandra-pahaoviana, izao loza mitatao
no hamonjy rangolahy, ho lavo hiala aina?
Fa tsy haiko, tsy hain’ny fanahiko!
Nefa tiako foana ho ranomasonao,
ny orana mikija, hanaitra ny atidohany.
Satriko ombieny koa, ho fofon’ainao
ireo tafiotra mafy, f’ireny koa no rivo-dozany.
Mandra-pahaoviana no haharitra hirehitra,
ity Jiro mitsilopy anaty maizim-bolana?
Mandra-pahoviana no mbola hifanehatra
aminao, ‘reo fahavalo maro, miteraka ny olana?
mahefalison
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : MAHEFALISONDaty : 18/06/2010
Mpamangy : 1035
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SAMBATRATSY NIAMBOHO ADIDY
NANKAIZA IANAO?
Mbola ho lava ny Alinao!
NY ADIKO
JIRO MITSILOPY
TSARA MANDRY RY ALINA!
SORONA
FITO METATRA
TAKON'ILA