You are here: home > Vetso

SORONA - MAHEFALISON

Azo vakiana?

Raha misy ranomaso tsy laitranao fafana mangirifiry lalina,
dia antsoy aho fa ho avy na dia misasakalina!
Raha vesatra ho anao ny ziogan’adim-piainana mampisento lava,
dia omeo mba ho lanjaiko na hahavaky vava!
Raha misy koa tangena tsy maintsy atelinao,
dia asio ity kapoakako hiarahako misotro aminao.
Satria... tiako loatra ianao!

                            MAHEFALISON - Aogositra 28, 2004

Hametraka hevitra

Midira aloha