You are here: home > Vetso

Mbola ho lava ny Alinao! - MAHEFALISON

Azo vakiana?

Mbola ho lava ny alinao
Ka manofisa mamy aloha
Ry Tanindrazana malala
Ambaram-piarinao mifoha.
Mbola fy koa ny ‘’Torimasonao’’
Ka tsy azo kotabaina
Sao hahalasa adala
Ny fanahy sy ny saina.

Mbola ho lava ny Alinao
Ka miverena matoria
Ry Vahoaka sasa-miarina
Fa mbola lavitra ny Dia.
Sady tena kitroka ivelany ao
Tsy hahitanao ny marina
Ka sao hitondra hampivarina
any an-kadivory lalina.

Mbola ho lava ny Alinao
Koa atanjaho aloha ny fiainana
Ry Taranaka mahaontsa
Izy no antenao hitondra fisainana
Hanohizanao indray ny adinao
Dia akimpio aloha ny maso
Fa  mitara-mangana sy osa
Mahantra lava torimaso.


Mbola ho lava ny Alinao
Ka mirakofa herin-tsaina
Ry Gasikara ampahantraina
Mandrapihavian’ny Maraina.
Mafy rahateo ny hasasaranao
Anio ka ndeha miala sasatra
Hampodiana indray ny aina
Ho an’ny Ampitso ankamantatra.

Mbola ho lava ny Alinao
Ka mitandrema tsy ho solafaka
Ry Firenena ‘’sasa-miandry’’
Mandra-piovanao ho Afaka
Ka tsy ho ambakaina lava izao.
Dia matoria aloha tsara
Koa tafandria mandry
Ary ry Madagasikara!

26 Novambra 2018 - Mahefalison

Hametraka hevitra

Midira aloha