TSY NIAMBOHO ADIDY - MAHEFALISON
Azo vakiana?
Atero foana ny anjara voninkazonao
Hamerovero manitra eo an-doham-pasany eo!
Fa raha izay tsiambaratelon‟ny rà nandriaka teo?
Tsy hotantarainy aminao!
Arotsahy foana ny ranomaso fahatsiarovana
Hanamaivamaivana ny tsiahianao mangina!
Fa raha izay porofon‟ilay Tantaram-pahoriana?
Tsy hambarany aminao. Ianao foana no torovana.
Tsy hisy ireo! Sady tsy nataony ho anao
Koa angamba ny hahalala ny diarin'ilay “Ngeza”
Tsy tafatoetra herinandro akory teo amin‟ny seza
Fitondrany, dia nesoriny tsy ho teo anilanao.
Dia...
Tsy niamboho adidy androany io raho-mainty io
Fa nahazo baiko midina tsy handrotsaka ny orany;
F'ilay “tsy niamboho adidy”-ntsika tsy mba natahorany,
Eny, tsy nasiany hasiny - novonoiny madiodio.
Tsy niamboho adidy androany io masoandro io,
Fa nanaiky nanafana ny lanonam-pahazarana
Fanaony isan-taona! Tsy misy fitsaharana.
Fa izy? Natsahatrao ny ainy teo amin'io toerana io.
Tsy niamboho adidy koa ireo mpandalo izay nanotrona
Ilay minitra vetivety nampangotika ny fony;
Fa hay ‟lay RATSIMANDRAVA-ny efa tsy hitany intsony!
Ny tsangam-batony ihany io no sisa tsy nihontsona.
Ka Atero foana ny anjara voninkazonao
hamerovero manitra eo an-doham-pasany eo!
Fa raha izay tsiambaratelon‟ny rà nandriaka teo?
Tsy hotantarainy aminao!
Dia...
Mbola mandria am-piadanana RATSIMANDRAVA-nay!
MAHEFALISON in ''Ambadiky ny Misy'' – Febroary 11, 2008
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : MahefalisonDaty : 05/03/2020
Mpamangy : 206
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
SAMBATRANANKAIZA IANAO?
Mbola ho lava ny Alinao!
NY ADIKO
TIAKO
JIRO MITSILOPY
TSARA MANDRY RY ALINA!
SORONA
FITO METATRA
TAKON'ILA