FITO METATRA (MAHEFALISON)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITO METATRA

Injay mipaika eny am-bovonana,
ny tara-mahamain’ny masoandro lohataona
manomboka mandoro ity tany fandalovana...
Io sokatra iray, hana, torovana sy noana.

Ho aiza? maniry mba hahita,
izay kely monja mba harapaka.
Dia indro tazany hafahafa erý am-pita,
ravina salady anankiray sendra latsaka.

Sahabo ho fito metatra,
ny làlana hodiavina.
Indrisy anefa, ny varatra sy tselatra
ity efa masiaka mahatsiravina.

Dia maloka ny andro, roso Rainisokatra,
nanezaka namindra, hamonjy ity harena,
no sendra vatokely maranitra ka potraka.
Nijininika mora ny rany menamena.

Nirotsaka ny orana, nifofo ny tafiotra,
niarina ity biby, hanohy ny adim-piainany.
Telo metatra no lasa, fa ny sainy toa miriotra
hikendry hatrany ity tanjona isainany.

Mby ho difotra ny tenany, fa be ny ranonorana;
Mavesa-danja rahateo ny entana am-babeny.
Niady irery tao ity akanga sisa nanamborana,
Fa raha izay fahafatesana, tsy maintsy horeseny.

Ela ny ela, tafavoaka an’ ilay ony mahafaty...
Manomboka efa tazany, izao ody hanohanana.
Vao nikisaka kanefa, indrisy tafalatsaka anaty
otrik’afo tsy nampoizina ireo kira-mavo mba fananana.

May Rainisokatra, hany heriny nandringa,
raha nitety faramparany tanety feno tsilo.
Niloko mena indray ny tany.Fa Singantsokatra
izy, ka ny herin-tsainy no fanilo.

Izay no fito metatra, akory ny hasambarany,
manoloana azy izao, ilay “hanim-pitoloha”.
Vao teliny ny anjarany, dia izay koa no farany...
Nikimpy mora izy, dia nandry tsy nifoha.

Eny! ho vitanao ve izany
ry Madagasikarako?

MAHEFALISON - Septambra 11, 2005
--------
Rohy:
1465 0
Hevitra mandeha
nannie ( 09/04/2010 05:16)
Tsara ilay ohatra nalainao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : MAHEFALISON
Daty : 08/04/2010 13:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146