You are here: home > Vetso

TSARA MANDRY RY ALINA! - MAHEFALISON

Azo vakiana?

Tsara mandry ianao ry aliko,
na dia tsy hahita tory akory
fa sasa-miandry ny Maraina!
            Ho lasanao anie ny sorisory,
            Ho telinao anie ny taraina.

Tsara mandry ianao ry aliko,
na dia mbola handry fotsy
ity ianao! Fa toa mbola lany vatsy.
            Ny Tomponao anie handrotsirotsy
            Hanala indray 'reo nofy ratsy.

Tsara mandry ianao ry aliko,
na dia tsy mety ny hiova
fa maditra lalandava.
            Meteza re mba handova
            Ilay Hazavana “tsy hisava”.

Tsara mandry ianao ry aliko
fa resi-tory koa izay 'lay tiako...
torovana tanteraka!
            Zovy sisa no hovangiako?
            Ianao sisa! 'Ty ianao tsy mety reraka!
                              
                                MAHEFALISON – Septambra 09, 2008

Hametraka hevitra

Midira aloha