TAKON'ILA (MAHEFALISON)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ao ianao izay!
Fa jereo ange e! Mivoaha eo an-davarangana,
Jereo fa takon’ila sady mangana
sahady lay volana tomaratra
nibaliaka tena fatratra,
vao tsy iray minitra akory izay!

Dia ao ambany keliny ao!
Jereo koa fa misy maso anankiroa,
mibanjina azy fatratra, manahy ihany koa
sao sanatria, mazava salantsalany
ilay fitiavan’ny malalany
miorim-paka anatiny ao!

Efa ao ianao izay!
Ilay kanto indrindra noho ny kantony,
nefa he jereo, ty hadalana tsy amin’ny antony
misompatra ny vetsony te ho any aminao.
Satria, takon’ila ho’aho ilay volana amin’izao!
Dia io izy io mangaihay.

Efa ao ianao izao!
Fa izy? Io manezaka miaritra
miandry ity fanakonana maharitra;
maniry dia maniry ny hivoahan’ny malalany
hiaraka hahatsapa izany hatsiaka mamanalany.
... mangovitra izy izao!

Efa io anefa ianao!
F’ilay diavolana nankaiza?
- anaty rahona ao fa ho aiza! -
Asa, raha mitsiky ianao ho fiombonana aminy,
mety hitranga vetivety ity vola-mila vaniny!
satria efa eo ianao!

Indrisy! Na efa ao aza ianao,
tsy afaka ny hijery ilay Sary tena tiany;
Kanefa, hahita ianao ilay tena fihafiany...
Io ilay fo iray mazava lalandava,
tsy mety takon’ilan’izay aloka handrava,
raha mbola ao ianao!

MAHEFALISON - Jolay 27, 2007
--------
Rohy:
1640 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAHEFALISON
Nampiditra : MAHEFALISON
Daty : 02/04/2010 10:27
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155