Hoahy ianao - Mazavatsinana
Azo vakiana?
Hoahy ianao...
Ataoko angamba fa tsy didy
Ny nitiavako anao
Ianao irery no voafidy
Hoahy ianao,eny ianao.
Tsy ahoako na hofoana
Ny vovok'aina mba ananako
Ka hofaty ny fisainako
Fa hotapitra ny androko
Raha ianao no tsy hoahy.
Hofikiriko eto an-tratrako
Dieny mbola voatanako
Ny fonao f'efa ahy
Fa raha votsitra tsy nahy
Dia aleoko anie hofaty.
Mombamomba
Mpanoratra : Mazavatsinana

Nampiditra : TRRV
Daty : 11/12/2017
Mpamangy : 764
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy habembona ahoZandrikely
MPIVAHINY Eto an-tanim-pa
an-tany lavitra
Ho anao
Soratra
Sorona
Misosa
Ny lasako