You are here: home > Vetso

Tsy habembona aho - Mazavatsinana

Azo vakiana?

Angamba diso ianao nitsara ahy
F'Alakaosy dia nialana,
Matoa ianao tena sahy
Efa hevi-novolaina.

Kanefa hoaho ry sakaiza
Tsara vintana aho ity
Na dia ranomaso lava
No mba niainako fitia.

Matoa nalahatra hisaraka
Isika roa no tsy anjara
Fitiavantsika no niraraka
Dia nisy raha maramara.

Tsara vintana aho anie
Fa tafasaraka aminao
Hionona aho anie r'ise
Ka hataoko tsampanao
Fa tsy misy ny toa ahy.

Raha Alakaosy hoy ianao
Tsy hahavanon-java-tsoa
Habaribariko afara ao
Fa nanenenanao tokoa.
Iny nametrapetraka ahy.

Tsy hahoako intsony ianao
Fa nanaratsiratsy ahy
Holevoniko ny sarinao
Ka hohadinoiko mandra-maty
Tsy hanembona aho tsy hahatsiahy.

Trrv:20-12-17

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Mazavatsinana


Nampiditra : TRRV
Daty : 20/12/2017
Mpamangy : 592
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Zandrikely
Hoahy ianao
MPIVAHINY Eto an-tanim-pa
an-tany lavitra
Ho anao
Soratra
Sorona
Misosa
Ny lasako