You are here: home > Vetso

MPIVAHINY Eto an-tanim-pa - Mazavatsinana

Azo vakiana?

MPIVAHINY
Eto an-tanim-pandalovana
Eto isika mivahiny
Miandry ny ora hahalovana
Ny fotoana hikipiany.

Mpivahiny isika izao
Tsy hitoetra fa handao
Vovon-tany novolaina
Zara mana-sombin'aina.

Ny entan-kely mba lanjaina
Tsy hitondrana mody akory
Ny fahoriana izay heverina
Tsinontsinona tsy akory.

Tsy afa-mihetsika ny tanana
Tsy mahita ireo maso
Fa ny hany mba fananana
Henatra sy ranomaso.

Mpivahiny marina aho
Mpandalo fa tsy mponina eto
Tonkan-tena anaty ankaso
Novolaina mba hisento.

Mpanoratra:Mazavatsinana

Mombamomba

Mpanoratra : Mazavatsinana


Nampiditra : TRRV
Daty : 19/11/2017
Mpamangy : 679
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tsy habembona aho
Zandrikely
Hoahy ianao
an-tany lavitra
Ho anao
Soratra
Sorona
Misosa
Ny lasako