Zandrikely - Mazavatsinana
Azo vakiana?
Zandrikely...
Any ianao zandry tiana,
Any ambadiky ny lasa
Namonjy lay ankany fodiana
Mitsotra lava tsy mitraka.
Any ianao ka nandao
Ty tanänakelintsika,
Mievo-tany maimbo lao
Ka nahatsiaro aho; nitanisa
Ny sarin'endrikao no sisa.
Nitamberina tsy nahy aminao ny fanahy,
Fa nitsingerina androany
Ny niavianao teto an- tany
Ka ontsa fo feno ahiahy.
Soava dia razandry mamy
Misidìna any an-drahona
Na dia tsampako fa vahona,
Ny sentom-bavako tsy lany
Hisioka hoanao any am-pasana
Ka mandria am-piadanana.
Mazavatsinana:15-05-17
Hevitra mandeha
niyaridan06 (13/12/2017 08:10:38)
tena mahaontsa tokoa saingy atao ahoana fa izay ny fiainana,tsy natao an-dahatra isika fa natao halahatra.TSARA LAY ASA SORATRAO RANAMAKO
TRRV (13/12/2017 17:03:11)
Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana.Misaotra anao tamin'ny toraka voninkazo.
Mombamomba
Mpanoratra : Mazavatsinana

Nampiditra : TRRV
Daty : 12/12/2017
Mpamangy : 806
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Tsy habembona ahoHoahy ianao
MPIVAHINY Eto an-tanim-pa
an-tany lavitra
Ho anao
Soratra
Sorona
Misosa
Ny lasako