You are here: home > Vetso

Soratra - Mazavatsinana

Azo vakiana?

Raha nanoratra aho,
Tsy voatery ho ny lasako
Na koa fiainana niainako
Fa kosa hitantara, hanambara
Ny mamiratra sy mara.


Raha nanoratra aho,
Ka nihetsika ny fo
Niemponempona tsy zakako
Nampanganohano maso
Nirotsahan-dranomaso.

Raha nanoratra aho,
Nitantara hafaliana
Na koa zava-mahaliana
Tsy mbola takatry ny saina
Ka nafantoko ao an-tsaina.

Dia nanoratra aho hoazy,
F'efa tsinjoko sahady
Ny fiainanay hoavy,
Samy vonona ny hiady
Lay fitia ho fato-maty.

Mazavatsinana

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : Mazavatsinana


Nampiditra : TRRV
Daty : 29/05/2017
Mpamangy : 873
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tsy habembona aho
Zandrikely
Hoahy ianao
MPIVAHINY Eto an-tanim-pa
an-tany lavitra
Ho anao
Sorona
Misosa
Ny lasako