You are here: home > Vetso

an-tany lavitra - Mazavatsinana

Azo vakiana?

Rotoroto 'zany miaina
Voakajy ny minitra
Tsy milamina ny saina
Ny segondra voatanisa.

Mikoropadropa-dava
Mamonjy asa ny maraina,
Tsy andry ny andro hanazava
Maika hamonjy velon-taigna.

Finarinaritra tokoa
Miala sasatra ny hariva
Lay mba hany tena soa
Iny alina madiva.

Hiala sasatra tanteraka
Ny fo, saina, amam-panahy,
Hanadino ka hipetraka
F'ilay hariva no mba ahy.

Zany fiainana an-dafy
Lavitra an'i Gasikara,
Rotoroto no tinafy
hoan'ny dimby sy ny fara

Ngoma anao aho ry taniko
Toa tsaroako tena mamiko
Lay sosoan-takariva, Ny hakantonao ry tanindrazako
Kanjo indrisy! Ny alokao no sisa tazako.

Sokajy : embona, fiainana, Malalaka

Mombamomba

Mpanoratra : Mazavatsinana


Nampiditra : TRRV
Daty : 25/08/2017
Mpamangy : 868
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tsy habembona aho
Zandrikely
Hoahy ianao
MPIVAHINY Eto an-tanim-pa
Ho anao
Soratra
Sorona
Misosa
Ny lasako