Misosa - Mazavatsinana
Azo vakiana?
Misosa toy ny rano
Ny ora sy minitra
Segondra toa mandalo
Ka tsy hitahita.
Misosa toy ny rano
Ny andro, herin'andro
Ny volana ny taona
Ny ririnin-dohan-taona.
Misosa toy ny rano
Ny anio, ny ampitso
Rony felana malazo
Malazon-drisoriso.
Eny, misosa toy ny rano
Ty fiainantsika ity
Fahamarinana mba tano!
Fa mandalo ny ety.
Mombamomba
Mpanoratra : Mazavatsinana

Nampiditra : TRRV
Daty : 27/02/2017
Mpamangy : 688
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tsy habembona ahoZandrikely
Hoahy ianao
MPIVAHINY Eto an-tanim-pa
an-tany lavitra
Ho anao
Soratra
Sorona
Ny lasako