Ny lasako - Mazavatsinana
Azo vakiana?
tsindrian-daona 'zany foko
Fa hahita anao androany,
Hamborahako 'reo lasako
Hitantarako 'reo tomany.
Ianao no antenaiko
Hamitrana ireo fery,
Olam-piainana tsy zakako
Ianao no takom-pery.
Holazaiko anao anio
Ny tsiambaran-telom-piainako,
Ianao no hanadio
Ny alahelo zay tsy tantiko.
Haminavina ny hoavy
Hanadinoana ny lasa,
Mba ho tò izay kinasa
Ka ny soa hotinafy.
Mombamomba
Mpanoratra : Mazavatsinana

Nampiditra : TRRV
Daty : 22/02/2017
Mpamangy : 1067
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tsy habembona ahoZandrikely
Hoahy ianao
MPIVAHINY Eto an-tanim-pa
an-tany lavitra
Ho anao
Soratra
Sorona
Misosa