Fihainoana tantara - MBL
Azo vakiana?
Tonga ny harivan'ny fianakaviana.
Amin'ny fito ora de efa mangina.
Ny po efa ao,ny trano efa idiana.
Ny ankizy rehetra eny ambony fandriana.
Mangina daholo,mipetraka tsara.
Fa efa anomboka izao ny tantara.
Nihaino ka nihaino teo @ radio.
Ny tantara hôreran'ny DON BOSCO
Faty mitsangana no lohateny.
Misy matahotra ao fa tsy miteny.
Ra-dadatoa aloha tena tsy tia
Fa mila ho alatsany hatr@ pipy.
Nefa i bebe indray no tena masaky.
Mihaino radio sady mihinam-paraky.
Tsy misy miala izany eo hoy izy.
Na tsisy mihaino intsony ary ny ankizy.
I Neny koa etsy dia tena mba liana.
Mihaino tantara @ali-mangiana.
Kanefa i dada indray de efa natory.
Rendrika teo izy fa sorisory.
Nohon'ny maraina de nifampitantara.
I bebe no nahay sy naharaka tsara.
Mombamomba
Mpanoratra : MBL

Nampiditra : Rwican
Daty : 15/02/2014
Mpamangy : 1184
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny foko no efa tiaKalo iray
Ny kalon'ny foko
Asa raha fantatrao.
Tiako i Neny
Ho an'iNeny
Ny taniko.
Tokiko
Aza ilaozanao
Tiako fona ianao