Ho an'iNeny - MBL
Azo vakiana?
Mba aiza loatra ianao ry Neny.
Moa mbola ety an-tany ve sa efa lasa tsy niera.
Dia tsy nampilaza akory ity zanakao mba ory.
Eeeeee:::…. .! Raha mba fantatrao angamba.
Fa vao nilaozanao dia banga ilay Ankanitsika telo.
Tsy jinerinao akory fa nilaozanao ity fo mila fitiavana aminao.
I Dada irery sisa no hany mba namisavisa ny hampitony izany fery.
Indrisy ry fiainana!?
Raha mba teo anefa ianao dia nomeko fanomeza izay tena nilofosako.
Ra mba hitako ihany koa dia nomeko fifaliana isaky ny vao miposaka.
Ary omeko ho anao daholo ny rehetra efa nananako hanadino izany fery.
Kanefa vola sy harena tsy mahasolo velively ny eo anilanao ry Neny.
Eny. . . Ho fitiavako anao dia tsinjoviko ireny kamboty maro ireny.
Omeko azy ireo daholo izay rehetra manontolo efa natokako ho anao.
Omeko azy ihany koa izay mety fifaliana sy fitiavana rehetra.
Ary ankiniko amin'ny Ray ilay tia tsy mba mandao fa hiaona izaho sy ianao.Amen.
Mombamomba
Mpanoratra : MBL

Nampiditra : rwican
Daty : 26/05/2017
Mpamangy : 836
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny foko no efa tiaKalo iray
Ny kalon'ny foko
Asa raha fantatrao.
Tiako i Neny
Ny taniko.
Tokiko
Aza ilaozanao
Tiako fona ianao
Hafatro ho anao