Tiako i Neny - MBL
Azo vakiana?
Fony mbola teo i Dada.
Tsy irery akory ianao.
Izaho mbola nibadabada.
Indrisy i Dada efa nandao.
Eny izaho sy ianao irery.
Na faly izany na tomany.
Ny Dadantsika efa niery.
Any @lavitry ny Ankany.
Tsaroako fa tsy i Neny ihany.
No nametraka ahy tety.
Kanefa lavitra tomany.
Rehefa i Neny be fitia.
Ka tsy hoadinoko ry Neny.
Eny fa i Dada koa.
Na dia tsy eo anilanao aza.
I Neny niezaka anasoa.
Kanefa nofohananao.
Ny fahabangana nisy tamiko.
Ry Neniko izay tiako indrindra.
Ineny izay tena mamiko.
Ka ataoko ahoana moa.
No amela anao ry Neny.
Na tsara ianao Ratsy koa.
Anilako eo ianao tsy ho very.
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : MBL

Nampiditra : rwican
Daty : 26/05/2017
Mpamangy : 1100
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny foko no efa tiaKalo iray
Ny kalon'ny foko
Asa raha fantatrao.
Ho an'iNeny
Ny taniko.
Tokiko
Aza ilaozanao
Tiako fona ianao
Hafatro ho anao