You are here: home > Vetso

Kalo iray - MBL

Azo vakiana?

Any misy kalo noforoniko ho anao,
Tsy tsaroako anefa fa ny apahany ihany,
Mitamberina ao ireo tsiahy sy ireo tomany
Ireo fitiavana niantefa tamin'ny fontsika sy ianao;
Ny andininy eny aloha mitory ilay fitia,
Ilay hoe¨tiako ianao, mandrakizay tsy ifandao¨
Samy manamafy itambatra ho doria,
Toa vita fatomaty raha ny dina izay natao;
Angamba tsy ho nofy fa efa fantatrao,
Ilay ambetiten-tsika roa tsy ho adinoina,
Toy ny taratra hazavana ny fitiavako anao,
Hitsilo sy hifampy ilay fitiavana koloina;
Mendrika ilay kalo sady feno fanhendrena,
Atolotro ho anao tsy adinoiko intsony,
Sanatria ny ampitso, tsaroiko efa tony,
Sady ataoko fandresena eo anilanao;

Sokajy : Fitiavana