Ny kalon'ny foko - MBL
Azo vakiana?
Ny ho mandrakizay no kaloiko ho doria
Mba hitoetra tsy andao fa ho eo anilanao
Ifanampy aminao raha toa sanatria
Mitety ny onja, ilay sambo vaovao
Ka ifamelona sy ifankatia
Raha mbola manana rantsana velona
Tsy ifandao fa ifankatoa
Izay no takian'ny fontsika roa.
Aza manaiky ho resin'ny ampitso
Fa ny fontsika roa no amefy an'ireo
Fandrao manadala ny soa sy ny ankaso
Ka aza ataonao ampitoreo
Fa inty aho ifanampy aminao
Ilay voafidy tanatin'ny maro
Vonona itoetra ikolo tsy andao
Haneo tantara itoetra ho tsiaro
Koa mino aho, ianao ko minoa
Fa io ilay fotoana anova tantara
Dia ho vatofantsiky ny fontsika roa
Ilay andro itambaran'ny soa sy ny tsara.
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : MBL

Nampiditra : rwican
Daty : 24/01/2019
Mpamangy : 802
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny foko no efa tiaKalo iray
Asa raha fantatrao.
Tiako i Neny
Ho an'iNeny
Ny taniko.
Tokiko
Aza ilaozanao
Tiako fona ianao
Hafatro ho anao