You are here: home > Vetso

Ny foko no efa tia - MBL

Azo vakiana?

Tsy hiteny intsony aho
Satria efa fantatrao
Ny tiako ho lazaina.

Tsy hitopy koa
Na hiherika hijery
Izay saikaho kasaina

Tsy hiantso intsony
Ny anaranao
Fandrao vita tsianjery.

Tsy hisaina intsony
Izay mety ho rampitso
Izay tsy mistery.

Tsy hitady intsony
Izay zavatra tsy misy
Ankoatry ny efa aty

Tsotra ihany ny ahy
Na dia tsy mba hitanao aza
NY FOKO NO EFA TIA

Sokajy : Vokatry ny fo