You are here: home > Vetso

Tokiko - MBL

Azo vakiana?

Ny lasa ho an'ny lasa fa isika hifankatoa.
Ny andro anio efa natokana ho antsika roa.
Tia loatra ianao, izaho tia anao tokoa.
Haharitra ny antsika ka tsy hisy hiova fo.

Hizara ny hasambarana ka mendrika ho doria.
Hitambatra tsy hisaraka satria mifankatia.
Ny hatsarana niainako atolotro anao.
Ka tsaroako hoe sambatra aho rehefa isika miara-dia.

Ny toky ny ahy tsy fitaka fa hanajako anao.
Ny amiko rehetra dia efa babo tsotra izao.
Rehefa anilanao aho dia malaina hifandao.
Ka omeko anao ny foko, atolotro anjakao!

Sokajy : Tokim-pitia