You are here: home > Vetso

Hafatro ho anao - MBL

Azo vakiana?

Hafatro ho anao no soratako anio,
Ho soratra mitoetra mba raiso ka vakio;
Aza atao andratra ilay fitiavako fahiny,
Ilay voadin-tsika roa tsy tanteraka aza tsiny;

Na izaho na ianao dia samy mba nitia,
Nefa ifandao ka ifarana ny DIA;
Mifona aho fa amoy ireo vitantsika roa,
Tantarantsika ireny ry malalako taloha;

Ny anjara anefa no tsy tao an'heritreritsika,
Fa afaka anafoana ireo rehetra efa vita;
Inoako anefa ireny fa ijanona ho tantara,
Na nifankatia aza dia voafetran'ny anjara;

Raha sendra mahatsiaro dia ny sariko banjino,
Kanefa mahereza f'izaho hiezaka hanadino;
Mety mbola ihaona isika amin'izay dia ho tsaroako,
Raha mbola velona aho dia mitempo izay ny foko.

Hevitra mandeha

rwican (19/02/2018 12:41:31)

Ity no tononkaloko tiako faharoa