You are here: home > Vetso

Niova ilay fitia - MBL

Azo vakiana?

Vao niova nangatsiaka
Ilay fitiavantsika
Dia tsy nahatamana
Fa nilaozana hafanäna
Ilay endrika sariaka

Saika tsy hita maso
Niserana dia lasa
Ilay volana baliaka
Mba nifandraisantsika
Toa niova ho ranomaso

Ireo tantaranay
Tsy ho voatanisa
Ary izaho tsy amisavisa
Fa veloma ihany sisa
Koa veloma rahatrizay

Any aoriana any
Dia ho tojo ihany izany
Hoe izaho sy ianao tafaraka
Eo amin'ny tohatra miakatra
Nefa tsy mifankafantatra

Izaho anefa mahatsiaro
Fa ianao tsy ahafantatra ahy
Kanefa aza manahy
Fa izaho tsy hampatsiahy
Ilay fitiavanao anahy

Dia hifampijery
Hifampitsiky koa
Nefa izaho tsy hiteny
Sady tsy hamoa
Ilay fitiavantsika roa
Izay nangidy be taloha
Ka nahatonga ahy iova fo