Satria Tiako ianao - MBL
Azo vakiana?
Ny andro sy alina miheritreritra
Ny anambitamby ny fonao ho tony
Atao daholo izay mety rehetra
Hatramin'ny nanisa ny kintana ambony
Efa nanisa ny kintana aho
Toy ny isan'izany no itiavako anao
Andraindraiko,fa tsy Indraindraiko
Eny fa hafoiko hatramin'ny aiko
Raha ilaina izany de ity no tsarovy
Ny foko efa tia ato tsy mba hiova
Ekeko ny omaly tsy hitovy ny ho avy
Raha kotroka omaly anio rivodoza
Ny rivotra ifofo amely tsy hitsitsy
Ny avandra matevina itraotrao
Ireo no andrasako afaka ora vitsy
Anaporofoiko fa tiako ianao
Ho tsapanao zany hoe tena tia
Tsy hitsitsiako ny heriko akory
Na faly na hory de iara-dia
Ny foko koa vonona tsy hampahory
Satria tiako ianao.
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : MBL

Nampiditra : Rwican
Daty : 14/02/2014
Mpamangy : 2364
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny foko no efa tiaKalo iray
Ny kalon'ny foko
Asa raha fantatrao.
Tiako i Neny
Ho an'iNeny
Ny taniko.
Tokiko
Aza ilaozanao
Tiako fona ianao