You are here: home > Vetso

Tena tia - MBL

Azo vakiana?

   Tsarovy ilay nitia anao izay nanakim_po
   Tamin'ny olon-tiany hafa,,
   Tsarovy f'izy tsy nandao fa mbola niova fo
   Ka niverina nitafa,,
   Fa dia nahoana hoy ianao,tia anao va izy
   Dia anao anao toy ireny?,
   Raha hovalianao izany,dia tsarovy ny fitia
   Fa mifono  mistery,,
   Tsy animba anao akory no hany faniriany
   Fa aza miova fo,,
   Tsarovy ihany koa fa tsy afaka ao ambavany
   Ilay dinanareo roa,,
   Ilay dina izay nataony dia masina tokoa
   Fa tsy sanatria safidy,,
   Ny azy ny fitia dia niraikitra ao am-po
   Hoe ianao no sarobidy,,
   Inao ilay ninia tsy niresaka akory
   Ilay farany nateriny,,
   Nefa izy tena tia ka "tiako ianao" hatrany
   No hany fara-teniny,,