Tsy misy hazavana - MBL
Azo vakiana?
Fahantrana ihany ve
No hiainako ety
Sa mba misy hakony ihany?
Satria toa manjavozavo
Ilay ezaka omaly
Ka zary ampitomany
Ny marina nafenina
Tsy fantatro intsony
Nefa tsisy nandroretra
Hany heriko ny boky
Hohadikako ao daholo
Ny androko rehetra
Dia iza indray izao
No androvitra izany
Any aoriana any
Toa tsinjoko sahady
Fa misy efa mikomy
Ny hamotika izany
Kanefa aho raha ho faizina
Dia aoka re ny penina
Ho any an-tranomaizina
Hevitra mandeha
Rwican (11/02/2014 23:55:13)
Misy ve ny tsindry azo lena ataon'ny manam-pahaizana izay tsy mahay mandrindra ny fahaizany.
henipitia (28/04/2014 10:07:45)
tena misy, indrindra aty am orinasa misy ny atao we "expatrié", experience vecu, zareo tsy we manam-pahaizana fa mahay mitrandraka ny fahaizan'ny sasany. fa aza kivy en, courage foana
Rwican (08/01/2017 14:06:32)
misy ny tsindry azo lena sainy ny mora kivy no tsy atao satria ny erintsaina sisa no fanafodin izany
Mombamomba
Mpanoratra : MBL

Nampiditra : Rwican
Daty : 11/02/2014
Mpamangy : 945
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny foko no efa tiaKalo iray
Ny kalon'ny foko
Asa raha fantatrao.
Tiako i Neny
Ho an'iNeny
Ny taniko.
Tokiko
Aza ilaozanao
Tiako fona ianao