You are here: home > Vetso

Anjelin'ny...foko - Miolapandry

Azo vakiana?

Anjelin’ny… foko

Malala a !

Manomboka anio
Dia izao no tadidio.
Ataovy soramandry
S’hitoetra mba ho andry
Ao anaty diarinao
Lay teny toka-mamiko
Hoe, “ ianao no andrianiko ”.

Tiko sy lalaiko
Fa mpanefy izany saiko.
Antoky ny fiainako,
Sy anjely fitarainako ,

Ilay mpiandry sady mpiaro,
Ka fady ny ho afangaro.
Fa singako eto an-tany
Sy ilan - tena mamy...
Ilay anton’ ny fisiako,
Sy tena tompom-paniriko.

Eny matokia !

Ka aza avela hiala
Na kely koa handao
Irony molotrao,
Ilay teny “ ho doria ”.

Fa sitraky ny foko,
Ataoko koa fa zoko
Ny handray anao rahavako
Ho mpanjakan’ ny fitiavako.

Ka na iza no hisetra
Hanameloka ny saiko
Amin’ izato kiribibiny ?

Hipetraka s’hitoetra
Ho zary sakantsakana
Hampanjaka ny safidiny !

Hanarana hadalàna
Hampihatra ny lalàna
Ka hijoro ho mpanasazy.

Dia vonona aho hizaka
‘ Zay tena ho mafaitra
Sy henjana tsy laitra.

Satria ny fahasambarako
Ka namoronany ahy !
Dia ny ho eo anilanao,
Isan’ andro vaky izao

Miolapandry

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha