TSY AFAKA MANKAIZA….. - Miolapandry
Azo vakiana?
Tsy hitako hotenenina
Tsy haiko hoe nafenina,
Fa tena niharihary
Sy koa nibaribary.
Ny diboky ny foko
Namafa ny toloko
Raha vao nahalala
Fa ho avy ianao malala
Nofy anefa izany
Fa maloka ny tany
Tsy tafahaona isika,
Na dia iray minitra
Ka indro fa nipitra
Sy koa nitsiriritra,
Niangavy ny hahita
Ty masoko midongy
Ka ndreo milongilongy
Toa zaza mila nono.
Naniry mba hihanoka
Ny hakantom - bikanao
Izay tsy tazany hatrizao !
Angamba any aoriana
Dia mety haminavina
Hilaza tsy hiamba
Na aza efa jamba
Fa tiany ho hita foana
N’ oviana koa fotoana
Ilay fitsikinao,
Izay kanto tsotrizao
Nambabo ny ao anatiny,
Sy nahalala ny miafiny
Ilay tiany sady maminy
No sady noandrianiny
Kanefa tsy mba nety
Nanaiky notantaniny
Sy ho ravaky ny akaniny !
Miolampandry
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Miolapandry

Nampiditra : Miolapandry
Daty : 26/07/2013
Mpamangy : 689
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ndehana mahazo !!!Vahatrinihoavy....
Mahaleova mahalasana !
Tafasirin'ny Mpangalatra
Ny Soratro ?
Ny tarigetram - piainako !
Vavaky ny tia
Anjelin'ny...foko