Tafasirin'ny Mpangalatra (Miolapandry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SISA

Minitra vitsy no omen'ny fotoana hiarahantsika
Hamintinana izay vita
Fa...minitra vitsy monja
Minitra feno ditra
Minitra mampanonja
Ny fitiavantsika roa
Minitra toa tsy haritra
Minitra tsy haharitra
Fa...Minitra mahafinaritra
Iainam-pitrapitra
Dia hifarana hatreo
'Lay minitram-paradisa
F'hifandao isika...

Veloma ry malala!

Ony Mihajanirina

Setriny :

ANKAMANTATRA ?

Ndriiiiiiii !
Minitra tena mamy
Sy tokana aman - tany ?

Kanefa nana - petra
Toy ny zavatra rehetra !

Aza kivy moa e !
Etsy atrakao ny loha.
Manàna koa finoana,
Fa ho avy ny fotoana
Tsy maintsy mbola hihaona.

Ka hamerina indray
‘Lay minitra fahaizay...

Minitra nitelemana ny tsiron’ ny fitiavana
Minitra nanan - danja tsy nananana fandavana
Minitra feno sefo… sy rako - pahetsahana
Fa minitr’ hazakazaka nanapaka valahana

Minitram - pangovitana tsy nisy bedibedy
Ilay tena sitrapo, tsy nananan - tebiteby
Minitra fohy dia fohy, izay lavitry marina
Kanefa koa niainana fitiava - nangalarina

Ianao tsy te handao, izaho nalai - nisaraka
Ka samy nanontany, hoe “ rahoviana ny manaraka ” ?
Mijanona ho ankamantatra
Fa valiny tsy fantatra !

Miolapandry
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - Fitiavana
1631 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139