You are here: home > Vetso

Ny Soratro ? - Miolapandry

Azo vakiana?

Ny Soratro ?

Fandraketako ny tsy azoko tenenina
Famborahako ny tiako mba hafenina
Fahatsiahivako ny lasako omaly
Fa... ivimbinako ny tsiky sy ny jaly

Fanembonako ireo lasana any ho any
Fandreseko koa ny haizin’ ity tany
Fitononako ireo hiakam - pandresena
Fa... hitolomako ao anaty fahalemena

Fitondrako ny fanilon’ ity taniko
Fanandratako ilay teny tena mamiko
Fisentoko koa ' reo lavitra any ho any
Fa... hamelomako ‘reo nody ho vovotany

Mpanasitrana ‘reo fery miharo rofy
Sy mpisarika mitondra anaty nanofy

Tapitra ny teniko…
Fa matoriza ianao ry peniko !

Miolapandry

Sokajy : Kolontsaina

Hametraka hevitra

Midira aloha