Vavaky ny tia - Miolapandry
Azo vakiana?
Vavaky ny tia
Andriamanitra ô !
Inoako marimarina, fa tena henonao, ity antsoko mangina,
Miankoho-mandohalika, mangata-pamelana, fa manam-paniriana.
Maniry sy mikatsaka, mitady ‘lay ho namany, ‘ty foko manireriny
Fa isan’andro izao, raha misy koa fotoana, dia mangalatra ny jeriny.
Miandry maso hiantsampy
Fa maniry an’ azy ho sampy !
Ray ô !
Aza omena tsiny, raha toa mivazavaza, midongy toy ny zaza.
F’ataoko kosa angamba, inoako fantatrao, ‘zay ao anatiko ao.
Fa izy no hany angady, hamadika ho vaovao, ny baingan’ ireo lasana,
Izy no hany tady, mamatotra ny foko, tsy hibanjina ny fasana.
‘Lay fasan’ ny omaliko
Sy fonenan’ ireo jaliko !
Koa iangaviko indrindra, eny italahoko, raha toa ka sitrakao
Valio anio ry Tompo, fa aoka tsy ho ampitso, izao vavako eto izao
Tolory ho ahy ny fony, ataovy mahalala, ny miafiko ato anaty
Fa ao no misy toerana, ilay azony hisambarana, hatrami-mandra-maty
Miolapandry
Hevitra mandeha
kiriah (26/10/2012 11:07:32)
soamaeva (27/10/2012 12:35:42)
Tena ao tsara, tafita mintsy ny hafatra
BRIOCHE (31/10/2012 12:13:47)
Raha arahinao finoana io tonga de tonga
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Miolapandry

Nampiditra : Miolapandry
Daty : 25/10/2012
Mpamangy : 1290
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSY AFAKA MANKAIZA…..Ndehana mahazo !!!
Vahatrinihoavy....
Mahaleova mahalasana !
Tafasirin'ny Mpangalatra
Ny Soratro ?
Ny tarigetram - piainako !
Anjelin'ny...foko