Vahatrinihoavy.... - Miolapandry
Azo vakiana?
Miala tsiny retsy, aza fondro indrindra
Raha toa aho ka handao, hilasy sy hifindra
Hitady toeran-kafa, mety hisy randram-bao,
Feno fahasambarana tsy toy ny anilanao.
Fa hay tsy niorim-paka sy tsy nahazo laka
tao anatin’ ny fonao, fa naloto sady sada,
ny fitia niriko hianohana !
Fa hay ka lakan-jahatra tsy nahatafita dia,
Fa rendriky ny sendra no neveriko hidabohana,
Ranon-javatra mamono no niriko hibobohana !
Koa tena kofina aho
Ary tofoka sy lao…
Resaka boloky, ny fanomezan-toky, tao anaty fesiboky
Dia rendrika aho f’adala, ka niantso anao “ malala ”
Kinanjo fa avelo, tsy mahalala alahelo
Fa mpandositra ny sentoko, no nataoko fiankinana,
Sy lamba fisampinana
Ary ….. indrisy, indrisy
fa tsy ditsoka aho ka jamba !
Jamban-dranomaso, ka miondrika amin-tany
Mifoko mitomany, fa resin-ditranao…
Ry kala adalako iny !
Miolampandry
Hevitra mandeha
Mitantsotia (02/04/2013 15:39:19)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Miolapandry

Nampiditra : Miolapandry
Daty : 26/03/2013
Mpamangy : 708
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY AFAKA MANKAIZA…..Ndehana mahazo !!!
Mahaleova mahalasana !
Tafasirin'ny Mpangalatra
Ny Soratro ?
Ny tarigetram - piainako !
Vavaky ny tia
Anjelin'ny...foko