You are here: home > Vetso

AMPY AHY - mlanto

Azo vakiana?

AMPY AHY

Ampy ahy ianao raha miteny hoe: tia
Ampy na dia in-ndray fa tsy doria
Ampy ny fibanjinanao minitra
Satria mampikombona ny fery tritra

Ampy ahy ny endrikao rehetra
Izay efa nitsofoka am-po sy tafatoetra
Ampy ny fitiavanao toa takona
Izay tsy nilaokan’ ny vava toy ny vakona

Ampy ahy ny famihinao kely
Ampy ahy ihany koa ilay fihetsikao sy fijery
Ampy ahy ny fitiavako anao
Izay efa feno tao anatiko tao!

mlanto R.M

Sokajy : Fiononana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : mlanto

Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014
Mpamangy : 907
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

ILAY
VOAFAFA
HO ANAO
ORY
HELO sa LANITRA
NIANGAVY
BABO
IZA ?
RAOZY
TSAROVY