ORY (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORY

Ho anao izay ory lava!
Nohon’ ny ota, aretina, olana tsy mety rava
Mitomany ianao matetika
Sady misento lava, toa mitolefika

Ory ianao noho ireo ota
Raha mijery ny fiainanao ianao dia toa tota
Tsy afa-miarina, tsy afa-miala
Na dia miezaka aza, voageja, voabara

Ory, satria marary nohon’ ny aretina
Efa tany amin’ ny toera-pitsaboana mba noetina
Ho zahana fa te – ho sitrana amin’ izay
Kanjo ny eo ihany no eo, fa tsy misy afaka na iray

Manana olana dia mba mitantara
Indrisy anefa ataon’ ny olona fizara
Ilay resaka mba nambara
Izay efa navesatra tsy tana

Mety efa feno anao daholo
Ny bara, bala, kidoro
Ny olana eo ihany fa tsy miala
Ary te-hamonontena ianao, mitady ho adala

Ity mba misy hafatra ho anao
Tena zava-marina fa tsy kilalao
Hafatra mety hampiova ny zava-manjo
Hafatra mety hanampy anao tokoa

Moa ve mba fantatrao?
Fa misy olona izay nijaly tsotr’ izao
Niaritra fahoriana niaritra fijaliana
Nanaiky hatr@ ny farany ary ory sy nangiana

Jesosy no Anarany, na koa hoe Mpamonjy
Nofatsihana ny tongony aman-tanana, mba ho fanatitra toy ny ondry
Fahafatesana no iafaran’ izany
Noho ilay Rà very tamin’ ny tany

Talohan’ ny nafatesana nisy teny hoe: vita
Tsy hoe: nifarana ny androny na koa ritra
Fai lay famonjena, sy sorona izay natao
Dia ilay fisolony voina ho ahy sy ianao

Maty nisolovoina antsika olombelna
Raha isika no tokony hofaty dia lasa velona
Raha isika no tokony nampijaliana
Dia IZY no nanaiky ho ory sy tsy noraraina

Ry havako, Raiso IZY
Dia hiova ny fonao, ho toy ny fon’ ankizy
Hivaha ny olanao izay ao anaty Krizy
Na dia mavesatra mihotran’ izay tsy izy

mlanto R.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1098 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014