RAOZY (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZY

Ilay raozy tsara loko
Naniry tao am-poko
Tiako loatra sady nolalaiko
Satria nandreraka ny saiko

Ilay raozy midorehitra
Toy ny jiro mirehitra
Toa tsy mety loa
Fa dia mipetraka ao am-po

Ilay raozy izay indrisy tokony
Fa toa nohotazan‘ ny hafa ny fony
Ny foko anefa efa nikarakara mafy
Niari-pahoriana ary teny niafy

Ilay raozy nataon ‘ny hafa aingon-trano
Nongotany sy notondrahany rano
Mba hamoha tsara ao anaty vazy
Satria ilain’ ilay hafa ho azy

Tena noetiny ho azy ilay raozy
Nefa raozy tena tiako endrika , paozy
Saika mba nataoko tao am-baziko
Saingy indrisy anefa fa tsy azoko

Lasany ilay raozy nefa ataoko ahoana?
Na dia efa eny an-tanany aza dia toa tiako foana
Ka na dia ilay raviny mihitsana aza no mba ahy sisa
Dia tsy maninona fa ny fitiavako azy tsy ho ritra.

mlanto R.M
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
1456 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146