You are here: home > Vetso

NIANGAVY - mlanto

Azo vakiana?

… NIANGAVY

Jesosy o! hampodio ny foko ho ao  Aminao indray
Izay fo feno ota, alahelo toloko, te-hanatona  Anao te-hiray

Mba miangavy re! mba mitalaho fa ohatrany tsy manam-piadanana
Satria voafatotra, voageja lav’ izao noho ireo fahalemena ananana

Jesosy o! mba jereo ny fitarainako miangavy re mba vonjeo!
Fa ratsy loatra ny fiainako toa feno alahelo sy toreo

Te-ho afaka, fa tsy mety, ny geja eo ihany
Ny toe-po ratsy tsy lefy,  fa mbola ao hatrany

Milanao  e! R’ Ilay Mpanadio ity fo izay maloto
Voretram-pahotana  nohon’ ny  ireo fahavalo misoko

Ianao ilay niarim-pahoriana ho anay  
Sady maty t@ hazofijaliana mba hamonjy ny fanahy

Miandry anao ee! Ity fo kely te-hadio
Mba henoy  moa  re ny  FIANGAVIAKO, mba valio.

                                      … amena ...

mlanto R.M

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : mlanto

Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014
Mpamangy : 745
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

ILAY
VOAFAFA
HO ANAO
ORY
HELO sa LANITRA
BABO
IZA ?
AMPY AHY
RAOZY
TSAROVY