HELO sa LANITRA (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA

Ry mpanota izay miliba ao anaty fahotana
Izay tsy mijery ankory izay iafarana
Fa toa milalao ery fa tsy misaina
Hoe : aiza no iafarako rehefa hodi-vovoka ho maina

Mba efa nosaininao tokony ve?
Fa ny olona dia mantsy mande..!
Ny nofony mody amin’ny tany
Fa ny fanahiny mifindra any ankoatr’ any

Misy toerana roa anefa tsy maintsy aleha
Na io lanitra na koa afo-be!
Iray amin’ ireo no mety hisy ny olona
Tsy afak handà na dia heady sy hitolona

Olona betsaka no efa lasa
Ao amin’ ireo toerana roa ireo fa tsy misy hafa
Ny lanitra fifaliana, ny helo kosa fijaliana
Noho izany jereo tsara re fa aza dia variana

Ny helo natao hoan’ ny mpanota ratsy
Ny fahoriana any tsy mora fa tsy taty
Tomany, hikiaka, fitarainana mafy
Ny fanahy anefa velona mandrakizay tsy maty

Helo, toerana ho an’ ny tsy mino
Na avy any avaratra ianao na avy any atsimo
Dia ho very any mandrakizay
Rehefa tsy mino Ilay Zanak’ Andriamanitra RAY

Helo, tsy misy fanatenana intsony
Na dia hiantso vonjy mafy tsy ho tony
Dia indrisy fa izay no vita
Any amin’ ny fijaliana tsy mijanona lavitr’ isa, lavitr’ isa

Ny lanitra kosa dia ho an’ ireo nibebaka
Niala tamin’ ny fahotany sy niezaka
Nahafoy ny naman-dratsy sy izao tontolo izao
Ary niala tamin’ ny sampy fomba amam-panao

Nino sy nandray an’ i Jesosy Kristy
Izay maty teny ambony hazofijaliana fony IZY tety
Noho ny fahotantsika zanak’ olombelona maro
Na mainty na fotsy na mifangaro

Noho izany ary miandry anao ireo toerana ireo
Anjaranao no misafidy dia mba jereo
Na ianao hifaly, na ianao hitomany
Fai o dia miankina aminao ihany

Raiso dia eny mbola tsy lasa
Ny fanampaha-kevitra mba tsy voabaka
Na HELO fijaliana mandrakizay
Na LANITRA fifaliana foana tsy in-droa fotsiny na in-dray


...HELO sa LANITRA no mety HISY ANAO ry NAMAKO malala
Rehefa ho tonga ilay vahiny endrasantsika izay tsy afa-miala
Fa tsy maintsy ho tonga mantsy ilay vahiny, na ho aingana na ho ela
Dia ilay antsoina hoe: RAFAHAFATESANA izay toa tsy mba mamela

Araraoty eee! ny andro azo anaovan-tsoa dien' izao
Dia tsy hanenina ianao rehefa ho avy tokony RAFAHAFATESA-mitatao

Raiso JESOSY ho TOMPO sy Mpamonjy ny fonao
Mandram-pahafaty manompoa AZY na iza hiala na iza handao
Fa IZY no LALANA sy FAHAMARINANA ary FIAINANA
Dia tsy ho very ianao ho any @ ilay toerana feno FITARAINANA

... Helo sa Lanitra ...

mlanto R.M
--------
Rohy:
Sokajy : Hafatra - fananarana
1703 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142