You are here: home > Vetso

TSAROVY - mlanto

Azo vakiana?

TSAROVY

Tsarovy fa misy tsy manadino anao aty
Na dia misy sakana aza mibara toy ny vy
Dia tsarovy fa misy olona iray izay tena tia
Izay tsy tena nizara fitia na taria na taria

Raha sendra tsy tianao ny hafa dia tsarovy foana
Fa any ambadibadika any misy olona tia tsy babangoana
Tsy mba fitiavam-bava fa tena lalipaka
Satria ny fitiavany anao efa nahazo laka

Efa lasan’ ny hafa ny fonao nefa tsarovy ihany
Fa tiako be foana ianao na dia nisy aza izany
Mbola mitoetra foana ilay fitiavako
Dia ilay tena fitiavako anao rahavako

Tsarovy fa izay vita aza anenenana intsony
Izay vita dia vita na ambany na ambony
Mitraka ka mahereza r’ ilay tiako indrindra
Dia ianao ilay manana fitiavana tsy nifindra

mlanto R.M

Sokajy : embona, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : mlanto

Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014
Mpamangy : 903
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

ILAY
VOAFAFA
HO ANAO
ORY
HELO sa LANITRA
NIANGAVY
BABO
IZA ?
AMPY AHY
RAOZY